DIDY VAOVAO (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Jehovah Andriamanitra MpaharyAndriamanitra Ray be fitia
Momba sy mitahy tsy mba manary
Ireo olona izay mpanara-dia
‘Lay Fanahy izay nomen’ny Tompo
Mampianatra antsika mba hifanompo
Mampihavana, mampifandray
Mba ho tena zanaky ny Ray
Didy vaovao ho anareo
Mba hifankatiavanareo toy ny Ahy Kristy
Mifankatiava ianareo
‘Zany no ahalalana fa mpianatro raha mifankatia
2-Raha toa mpanompo mahatoky
Manana ny fo, saina, toetra
Ka mitia toy ny an’i Jesoa zoky
Dia mihavàna amin’ny rehetra
‘Lay Fanahy izay nomen’ny Tompo
Mampianatra antsika mba hifanompo
Mampihavana, mampifandray
Mba ho tena zanaky ny Ray
Didy vaovao ho anareo
Mba hifankatiavanareo toy ny Ahy Kristy
Mifankatiava ianareo
‘Zany no ahalalana fa mpianatro raha mifankatia
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Antoko Mpihira Taratry ny mazavaHits : 832
Likes : 0 Like
Created by : musertech.ir
Date : 30/03/2020 07:26