Ampy ahy (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Andriamanitro! misaotra anao ny fanahiko
noho ny asa maro nataonao tamiko
Fa ianao no niaro ahy
Ianao no niambina ahy
Tsy ho votorotoron'ny ratsy fanahy

Fiv: Misaotra anao aho
Misaotra anao tompo
Noho ny soa lehibe natolotrao
Ny nanomezanao ny zanakao
Ho famonjena anay
Koa raiso
Ny saotra Dera
Fa lehibe noho ny lanitra ny famindramponao
ka ampy ahy
Ampy ahy ianao

Ry Andriamanitro! misaotra anao ny fanahiko
Fa nitantana ahy
Tamin'ny ady mahamay
Koa raha izao,
Dia ny famindrampo no hitokiako
Koa faly aho amin'ny famonjenao

Fiv: Misaotra anao aho
................................
................

Dia ny hiranao no hiraiko
Hiderako maharitra
Fa satria ampy ahy
Ampy ahy ianao

Ah ...... Ah....... Ah..... Ah......

Ampy ahy, Ampy ahy Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Vangy : 1406
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rukbat16
Daty : 25/01/2015 14:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716