Raha sitrakao (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Indro ry Tompo, rakotra loto
Ny aizim-pito, manarona ny tany
Manankarena na mahantra
Ny asan'ny nofo manjaka aoka izany. (Trio)


Fiverenana: Koa raha sitrakao ry Tompo
Tomoera ato am-poko
Ka n'aiza n'aiza no aleha
Ianao no rehareha
Ny asan'ny fo izay madio tokoa
Mitondra famonjena
Mandrakizay doria

2. Hianao mahita, ny anaty fanahy
Ka fantatrao koa ny fitempon'ny fo
Ny adin-tsaina na ny adim-panahy
Aza avela irery aho jesoa malala oh. (Trio)

Fiverenana: Koa raha sitrakao ry Tompo
Tomoera ato am-poko
Ka n'aiza n'aiza no aleha
Ianao no rehareha
Ny asan'ny fo izay madio tokoa
Mitondra famonjena
Mandrakizay doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Vangy : 1173
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rukbat16
Daty : 18/01/2015 15:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1252