Hianao fahendrena (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Hianao fahendrena, Ao am-po tsy terena
Madio fo, mora koa
Tia ny fanaovan-tsoa
Feno fanetren-tena
Tsy mba misora-tena
Na aiza no aleha
Tsy mba mirehareha
Mahery ny fitiavany
Mora fo sy mora fanahy
Mitsinjo no fiainany
Manasoa tsy amin’ahiahy
Ho anao ‘zay hanovo fahendrena
Ho anao ny hadalana izao resena
Raiso anio Jesoa tompom-pamonjena
2- Maro no mahalala
Fa hianao fahendrena
Manova ny olona
Ho amin’ny famonjena
Tsisy tombo sy hala
Nefa koa raha jerena
Antoka manala
Ny ota tsy hay fefena
Mahery ny fitiavany
Mora fo sy mora fanahy
Mitsinjo no fiainany
Manasoa tsy amin’ahiahy
Ho anao ‘zay hanovo fahendrena
Ho anao ny hadalana izao resena
Raiso anio Jesoa tompom-pamonjena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazavaVangy : 1413
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : faliherijaona17
Daty : 08/08/2017 20:38