RY RAY MALALA Ô ! (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaroako Ray ô !
Tsaroako tokoa
Ny hadisoako nataoko taminao
Tsaroako Ray ô ! hadisoako izay natao
(Hitalahoako ny famindram-po)
Nataoko Taminao, ry Raiko ô
(Ray malala ô)
Avia mihaino

Fa Kalvary no ahitako anio ny fitiavanao
Ary koa ny famindram-ponao
Hitalahoako (omeo ahy ny)
Ny famindram-po
Ray malala ô
Avia mihaino

Ry Ray malala ô
Raha toa halànao
Tsy ho ahy ny fitiavanao
Raha toa halànao ny fitiavanao ry Ray
(Hangatahiko ko mba esorinao)
Esory koa tsy ho ahy ny aina izay
(Ny aina)
Nomenao ho ahy

Fa Kalvary no ahitako anio ny fitiavanao
Ary koa ny famindram-ponao
Hitalahoako (omeo ahy ny)
Ny famindram-po
Ray malala ô
Avia mihaino
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Vangy : 689
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 29/01/2020 23:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784