MPANANATRA (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/mpananatra

Ny foko ry Raiko misaotra Anao
Fa nomenao hery vaovao (indray)
Ny ota nataoko efa navelanao
Fitiavana no natolotrao.

Ny Fanahinao no nomenao anay
Mitarika anay
Mampianatra anay
Tantano hatrany 'zay alehanay
(Mba) handresy hatrany izahay (izahay)

Ny fanantenako narefo hatrizay
Dia indro nitombo indray (satria)
Ny fanahinao mampahery anay
Mitarik'izany diantononkira.serasera.orgay.

Ny Fanahinao no nomenao anay
Mitarika anay
Mampianatra anay
Tantano hatrany 'zay alehanay
(Mba) handresy hatrany izahay (izahay)

Vohaiko ny foko mba hidiranao
Monena ao hatramin'izao (Hianao)
Ny saiko maloto mba diovinao
Tsy izay sitrapoko no hatao.

Ny Fanahinao no nomenao anay
Mitarika anay
Mampianatra anay
Tantano hatrany 'zay alehanay
(Mba) handresy hatrany izahay (izahay)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 9
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 01/02/2020 08:41:29
ID : 12490

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo