Ô ATSANGANO NY FANEVANAO RY FIANGONANA Ô ! (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/-atsangano-ny-fanevanao-ry-fiangonana-

Ô! atsangano ny fanevanao ry fiangonana ô
Dia Jesoa Kristy (2)
Ilay nitondra fandresena ho an'izao tontolo izao
Asehoy fa Jesoa no fanevanao

Taona marobe no efa nitahiana anao
Ry fiangonana ô (2)
Koa mandehana dia torio sy ambarao
Ilay mpandreTsiky dia ampysy ho an'izao tontolo izao

Indro ny aizim-be manarona ny taninao
Ry fiangonana ô (2)
Nefa ny mazava dia miposaka aminao
Koa misehoa, dia mijoroa, sahia tokoa

Na dia marobe ireo ady atrehanao
Dia matokia (2)
Fa Ilay mpandresy no miady ho anao
Hiaro sy hitantana ny dianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 69
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 28/01/2020 18:17:54
ID : 12450

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo