Tompo ô, mampianara anay (SLK Ambohidroa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Mampianara anay hahay hanetry tena
Sy hamela ny heloky ny hafa
Fa Ianao no tena fahendrena
Ry jesosy Tompo ô henoy ny vavakay

FIV:
Aza avelanao zahay ka hanjahatra eto
Fa sao (angiana samy irery)
Andeha (ho very rery ety)
Fa tsy sitrakao ny toetranay rehetra
Ka tianao hovana
Ho mendrika Anao

2) Ianao ihany anie no efa nanambara
Angataho izay rehetra tianareo
Tsy hisy ho very valiana soa aman-tsara
Raha toa hahasoa anay dia tsy ho lavinao

3) Mampianara anay hanisa ny andronay
Tsy ho variana angataka fotoana
Fa androso ho vonona amin’izay
Hanaraka Anao tokoa ka tsy hihemotra

4) Efa maty Ianao nisolo ny helokay
Nomboina, nijaly mafy koa
Koa miangavy, tantano izahay
Fa tsy mahatokana ho very an-dalana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLK Ambohidroa
Vangy : 442
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mendrikaanja
Daty : 04/04/2022 11:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1145