MIBEBAHA AMIN'IZAY (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ö mba saino ry mpanota ity atao
Sao dia lalan-diso izao aleha izao
Miverena, mibebaha amin’izay
Fa ny Tompo anie miandry hatrizay

Ref: Tsinjonao ve irony afo mahamay
Fijaliana haharitra mandrakizay
Tsy angano akory izany fa voalaza
Voasoratr’ireo mpaminany tsara


2- Mitandrema sao voafitaka ianao
Maro be ireo sandoka ka lavo ianao
Mody hoe mivavaka izy nefa indrisy
Mpiatsaravelatsihy mahay mihitsy

Ref: Tsinjonao ve irony afo mahamay……….


3- Nefa na izany aza dia izao
N’inona n’inona karazan’otanao
Apetraho amin’i Jesoa fa fafaNy
Izy no mifona ho ahy sy ho anao

Ref: Asandrato mafy ny hira fiderana
Ka inty aho ilay mpanota nigagana
‘Ndeha hiverina aho hamonjy ilay akany
Any ivoho ianao satana miala tany
‘Ndeha hiverina aho hamonjy ilay akany
Any ivoho ianao satana miala tany



IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
Vangy : 367
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mampionona0912
Daty : 16/08/2021 13:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727