Ankiniko (Rantsana Fanantenana Bemasoandro Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Ankiniko Aminao Jehovah ny lalakoSatria Ianao no mahafantatra ny tantarako
Tsy misy tsy fantatrao ny momban'ny fiainako
'Zay miafina ao am-po sy fisainako
REF: Ry Tompoko, borahako eto Aminao
Tsy Mendrika aho, maro ny ota natao
Neniko re ny taloha, hifonako avokoa
Jesôsy ô mamindrà fo amiko
2.Mivavaka Aminao aho Andriamanitra ô!
ô mba valio ny vavaka dia ho sambatra
Sasao madio ny foko sy ny fanahiko
K'izay fitondrana indray no harahiko
REF: Ry Tompoko, borahako eto Aminao
Tsy Mendrika aho, maro ny ota natao
Neniko re ny taloha, hifonako avokoa
Jesôsy ô mamindrà fo amiko
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Rohy:
Momba ny hira
Mpihira : Rantsana Fanantenana Bemasoandro ItaosyVangy : 432
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sandosantos
Daty : 22/05/2023 12:18