HALELOIA (RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Andriamanitra ô, misaotra Anao
Izahay mivory eto izao
Ka asandratray ny Anaranao
Ary koa ny voninahitrao
Fa mahery sy Tompo tsara Ianao
Tsy mba misy toa Anao
Fa nanota Taminao tokoa
Nefa kosa namindranao fo

REF:
HALELOIA, Voninahitra anie
HALELOIA, Ho anao Mpanjaka lehibe
HALELOIA, Mankalaza Anao 'zahay
Raiso mba ho voninahitrao
Izao hira fiderana izao

2. Izahay mijoro eto izao
Dia mitory ny Anaranao
Ka mangataka ny Herinao
arotsahy aty anatinay
Fa Mahery sy Tompo tsara Ianao
Tsy mba misy toa Anao
Fa raha miaraka Aminao 'zahay
Tsy mba misy zava-mampanahy

REF:
HALELOIA, Voninahitra anie
HALELOIA, Ho anao Mpanjaka lehibe
HALELOIA, Mankalaza Anao 'zahay
Raiso mba ho voninahitrao
Izao hira fiderana izao

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Rohy:
Hevitra
Sandosantos ( 22/05/2023 12:37)
SVM RF Bemasoandro Itaosy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
Vangy : 192
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sandosantos
Daty : 22/05/2023 12:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0862