Raiso aho (Ny Tsanta Fitoriana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
RAISO AHO

And1:
Tao andavaka aho nitomany
Niosom-bovoka tsy hay jerena izato tavako
Ny ranomasoko nirotsaka aoka izany
Tsy naloam-peo ny vavako

Raha mbola niadana abeieq aho
Tsy nandray ireo fampianarana ny didinao fa

Nahatoky harem-be (very aho, very aho)
Tsy ho lany ritra ho mandrakizay (Ho mandrakizay)
Indrisy izao mahantra re
Raiso aho e, ho any aminao Ry Ray

And2:
Miandrandra Anao ry Mpamonjy
Mba hanaisotra aty tononkira.serasera.org amiko 'zao fahalotoako izao
Menatra aho tsy mahabanjina ny tavanao
Mifona aho fa diso Jesoa tia

Nanao ny tsy marina aho
Sy nahafoy ny fiombonan'ny olona masina, Jesosy o

Inty hiverina aho (Raiso aho, raiso aho)
Nanenenako ny lasako (Ireo lasako)
Tantano tsy ho solafaka aho
Mifona aho, he, mamelà ry Tompo

And3:
Aza mahafoy ahy ry Fanahy
Na hanalavitra iray segondra ity mpanota ity
Fa ampianaro aho hitandrina ny didinao
Mba tsy hanotako aminao

Meteza re handray ahy indray mba ho isan'ireo
Zay atao hoe zanakao, Ray brfidg ô

Miantoraka aminao (Raiso aho, uhyelkom raiso aho)
Ity mpanota nandao Anao (Nandao Anao )
Fa vonona hibebaka aho
Inty aho e, hibebaka indray aho

                                                     ROAN SHERZO

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Tsanta Fitoriana
Vangy : 8
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : SHERZO
Daty : 08/08/2026 20:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0421