You are here: home > Tononkira > Ny Tsanta Fitoriana

Asakasakao (Ny Tsanta Fitoriana)

1- Asakasakao, izay tsy handray
    Ny tenin'Andriamanitra izay torianay e
    Tonga eto ianao, mandre izao hira izao
    Mba ilazao koa ireo namanao
          Miantso anao anio Jesosy tia
          Mibitsika ao am-ponao ao hoe modia
          Ry miasa fatratra sy mavesatra entana
          Avia omeko fitsaharana!

Ref:Avia hanaraka ahy ry ondry nania
      Ny hoe andraso aloha; tsy mba fanao
      Asakasakao tononkira.serasera.orgizay manamafy fo
      Ny anjaranay: manambara hatrany fa tsara Jesoa

2- Ho aiza anefa moa izato ianao
    Raha tonga tampoka ilay andro farany
    Ho avy Jesoa tia, hitsara ahy sy anao
    Ka aza lavinao, izao antso izao
           Ireo asa izay natao tety
           No hitsarana anao rehefa hatrary
           Nanao ny tsara moa dia raisin'i Jesoa
           Raha ratsy vitanao, miova dieny izao

A/C: Herinjanahary Tovondrainy Ernest

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Tsanta Fitoriana
Mpamaky : 37
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ramah17
Tamin'ny : 09/09/2019 15:36:47
ID : 12046

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo