Asakasakao (Ny Tsanta Fitoriana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Asakasakao, izay tsy handray
Ny tenin'Andriamanitra izay torianay e
Tonga eto ianao, mandre izao hira izao
Mba ilazao koa ireo namanao
Miantso anao anio Jesosy tia
Mibitsika ao am-ponao ao hoe modia
Ry miasa fatratra sy mavesatra entana
Avia omeko fitsaharana!

Ref:Avia hanaraka ahy ry ondry nania
Ny hoe andraso aloha; tsy mba fanao
Asakasakao izay manamafy fo
Ny anjaranay: manambara hatrany fa tsara Jesoa

2- Ho aiza anefa moa izato ianao
Raha tonga tampoka ilay andro farany
Ho avy Jesoa tia, hitsara ahy sy anao
Ka aza lavinao, izao antso izao
Ireo asa izay natao tety
No hitsarana anao rehefa hatrary
Nanao ny tsara moa dia raisin'i Jesoa
Raha ratsy vitanao, miova dieny izao

A/C: Herinjanahary Tovondrainy Ernest
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Tsanta Fitoriana
Visites : 752
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ramah17
Date : 09/09/2019 15:36
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731