MBOLA TSY TARA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy miantsoantso ny anaranao,ianao anie ka ondry andrasany
Ny otanao rehetratrehetra efa natao, saronany sy efa voasasany
Ny tanany mitsotra te handray anao, hanarina anao rehefa potraka
Izy hamelombelona ny fanahinao, hampatanjaka anao efa trotraka

Fampanantenana nomeny anao, aza anampenanao sofina,
Ny fanavotana nataony anao, aza omena lamosina
Meteza mba ho isan'ny ankohonany ianao, sao mikatona ny varavarana
Miomana hiditra amin'ny fanjakany, mandehana re, misoratra anarana

Mandehana fa mbola tsy tara e!
Izy mbola miandry, tena sasa-miandry, miandry anao,
Miandry anao anao mba hanolo-tena
Androany anie ka mbola tsy tara e
Aza ilaozanao mandositra ny antsony; modia re ianao, miverena

Efa fantatrao efa hatrany amboalohany, ny lalana any tery dia tery
Jesosy ifikirana, ny lalany arahina, sao ianao dia mandeha irery
Misy fitoerana izay efa nomaniny, ianao anie ka manana anjara
Raiso ny tanany, araho ny lalany, mandehana re fa mbola tsy tara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 565
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 18/02/2020 14:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748