HO ANY AMIN'IZA ? (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy o! Hankalaza anao aho
Hanandratra ny feoko ka hihoby mafy ny Anaranao
Jesosy o ! Masina hianao e! e!
Ambony noho ny zava-drehetra anie ny Anaranao

Mitazona ny tanana ankavanako hianao
Mitantana ahy, hifikitra aminao
Mitoby manodidina ahy ny anjelinao
Jesosy o! Mino anao aho

Jesosy o ! raha vao tsy ao aminao aho tsy manana an'iza hianteherana e!
Ho any amin'iza moa izahay
Anilanao re no fikasako, haoriko ao ny fanatenako
Hanompoako anao sy hiderako anao ny androko ety izay miserana e!
Ho any amin'iza moa izahay
Hihira mafy aho hidera anao, hamorona fihiram-baovao
Ka ny finoako ho kolokoloiko tsy hanana fahataperana e
Ho any amin'iza moa izahay

Jesosy o! inty aho ! vonona aho; iraho aho.
Te hihira mafy aho ho anao.

Hihira mafy aho hanandratra feo ka hidera an' i Jeso sy hihoby ny Anarany e
Ataoko mba ho ren'izao tany tontolo, fa lehibe ny Andriamanitro
Masina ny Anarany e !
Hihira ho anao aho ! hira fiderana.
Raha mbola eto aho dia hihira ho anao Jeso !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 316
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 24/09/2022 10:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1791