FIAINAM-BAOVAO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-antsanny-famonjena/fiainam-baovao

Toa mivangongo manodidina anao ny adim-piainana sy fijaliana
Toa mitanjozotra manatona anao, ny loza sy ny fahorina
Mianjera ianao, tafarina avy eo, avy eo toa solafaka indray
Miandry masoandro hiposaka ianao saingy haizina no tonga indray

Nefa tsy noho izany no antony andeha hampiemotra anao
Angamba tsy noho izany no andtononkira.serasera.orgehananao hitady Tompo vaovao
Dia mahereza hatrany, ny tanan'Izy Tompo no mitantana anao
Dia ho azonao, fiainam-baovao

Toa arakaraky ny hanatonanao, hivavaka ho feno finoana
Toa arakaraky ny hifikiranao, naheno ilay fiantsoana
Dia toa manantena, miandry ny homena, mangataka izay irina
Nefa ve tsy araky ny nadrasanao ity kapoka iray izay tsy tiana .

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Mpamaky : 179
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : nyantsanfa
Tamin'ny : 23/12/2019 15:54:51
ID : 12327

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo