ENY (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-antsanny-famonjena/eny

Satria moa ny Tompo rehefa miteny
Rehefa nanaiky milaza hoe Eny
Dia tsy miova intsony, f' izay ny ao am-pony
Manaiky hoe ENY , miteny hoe ENY

Raha zaza nania no nody indray
Satria nahatsiaro ny tranon'ny Ray
Rehefa mifona ny heloka vita
Dia tena ekeny, ataony hoe ENY

Ny vavaka atao anie ka tononkira.serasera.orgmisy mandre
Mangataka ianao dia misy manome

Fa izy no Mpanjaka, lehibe
Raha izy no antsoina dia mandre
Fa izy no mpamaly vavaka
Ary izy no mpamela heloka
Tokana, masina, ilay hatrizay sy rahatrizay

Tokana ny teny lazainy
Izay ampanantenainy dia efainy
Tsy mivadika izay nekeny
Izay sahaza ahy dia homeny
ENY, ENY, ENY

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Mpamaky : 186
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : nyantsanfa
Tamin'ny : 07/01/2020 12:58:15
ID : 12370

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo