You are here: home > Tononkira > Ndriana Ramamonjy

Nitady hasambarana (Ndriana Ramamonjy)

Nitady hasambarana izy e, tahaka ahy sy ianao
Dia nivezivezy izy e, nanenjika ireo kilalao
Voatetiny avokoa ireo toera-noheveriny fa hoe mpamokatra hafaliana
Ny fiaretan-tory toa manala sorisory dia vao maika koa nanjary fijaliana

FIV : Teo vao tsapany fa rehefa maty ny fanahy  dia mivezivezy foana re ny nofo
Tsy mila mpanamarina fa mora fantarina, ny fiainany mihitsy no porofo
Fa maty fanahy izy e, na dia mbola velona
Ka hanenjik’aloka tsy misy fiafarana raha mbola Tsiky dia ampytany koa ny tany

Nahita hasambarana izy e, izay iriany koa hitanao
Tsy hivezivezy izy e, fa nahita fiainam-baovao
Tsy hitety intsony ireo toera-noheveriny fa hoe mpamokatra hafaliana
Ny azy izao ny alina manala hasasarana satria fotoana hatoriana

FIV : Teo vao tsapany fa rehefa velona fanahy tsy mivezivezy intsony re ny nofo
Tsy mila mpanamarina fa mora fantarina, ny fiainany mihitsy no porofo
Fa olom-baovao izy e, satria novonjena
Ny Tompon’ny Tompo no manolotra azy ny fianam-pandresena

Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Mpamaky : 1152
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : RRas
Tamin'ny : 16/10/2019 20:09:48
ID : 12139

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo