You are here: home > Tononkira > Ndriana Ramamonjy

MISAOTRA ANAO IZAHAY (Ndriana Ramamonjy)

Misaotra anao iazahay ry Ray noho ny fitiavanao
Ny haizin - kitroka misy ahy indro fa nidiranao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao
  
Ref:     Inona ary no havaliko Anao
               Noho ireo soa efa narotsakao
               Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
               Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao

NTsiky dia ampya dia tsy mendrika ry Ray ireto te hidera Anao
Dia notoloranao tokoa ny fanavotan - dehibe
Na dia mahantra aza re dia novidian’ny zanakao
Tamin’ny ràny izay madio mba isan’ny Anao

Ref:.........

Dia menatra tokoa ry Ray hifanatrika aminao
Kanefa noho ny Zanakao dia indro fa manatona aho
Nanery ahy izany foko resin’ny Fitiavanao
Ilay fo maniry mafy Anao ka indro hanjakao

Ref: ...........

Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Mpamaky : 15938
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : andolanto
Tamin'ny : 16/02/2007 07:38:46
ID : 4217

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo