You are here: home > Tononkira > Ndriana Ramamonjy

Fihavanana (Ndriana Ramamonjy)

Ny heloko no nampisaraka ahy
Tamin’Andriamanitra Fitiavana
Haizina no niainako tety
Soa ihany fa tonga Jesoa
mba hamitrana ny fihavanana
tamin’Andriamanitra Fitiavana
Raha toa anisan’izany ianao
’ndeha hiaraka hanao izao hira izao

Ndeha hifandray tanana
HiTsiky dia ampytory fihavanana
Ka ny hazofijaliana no ho lalana
Hampihavana ny olona amin’ny samy olona
Sy amin’Andriamanitra Fitiavana

Ny ràny teo amin’ny hazofijaliana
No nanaovany ireo fampihavanana ireo

Ekeo ny fanavotany
Ho sambatra izaho sy ianao
Hiaraka hihira hoe

Ndeha hifandray....

Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Mpamaky : 9666
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Lanto
Tamin'ny : 20/07/2004 07:38:51
ID : 2522

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo