Jesosy tokiko (Mikalo Fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1

Jesosy oh, Ianao Irery no hitokiako
Amin'izao fiainana mandalo izao
Tsy misy azo antenaina
Mandreraka ny fo sy saina
Ianao Jesosy Irery no hitokiako

Ref
Ianao anie efa nilaza
     F'indro Izaho momba anao
Ianao anie ka nanambara
     Matokia f'aza manahy
Tsy hana-tahotra intsony aho
Fa izao no ao am-poko ao
Matoky aho fa Ianao tsy mba mandao

2

Jesosy oh, eo aminao no hitalahoko
Amin'izao fiainana miha-ratsy izao
Tsy misy azo antenaina
Mandreraka ny fo sy saina
Ianao Jesosy Irery no hitokiako
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mikalo Fiderana
Visites : 192
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : FanomezantsuLcv
Date : 25/04/2025 18:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1939