Saino (Mikalo Fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh ya ye ( 4x )
Izaho manambara aminao havako oh
Fa mandalo izao fiainana izao e
K'aza variana manjeny andro lava
Sao ho tara eo Ianao k'itomany e
Mbola tsy tara raha izao no mibebaka
Ndana miverina mody e
F'ilay Andriamanitra Ray ao ambony
Izy irery no Tompo mpamonjy e

Ref
Oh ya ye,
Araraoty ny andro havelomana e
Oh ya ye,
dien'izao dia mahaiza ianao miomana a
Oh ya ye,
Araraoty fa mbola tsy tara e
Oh ya ye,
Saino tsara izay hiafarana a

2

Izaho manambara aminao havako
Fa ny tanjona tokana ihany e
Dia ny handova Ilay paradisa
Ny sisa manaraka eny ihany e
Koa andeha izato izy Ary
Herezo ny dia mandrosoa
K'aza mihemotra intsony
Fa izay maharitra hatramin'ny farany ihany no tena voavonjy e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mikalo Fiderana
Vangy : 151
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : FanomezantsuLcv
Daty : 25/04/2025 20:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1066