Nofidianao tokoa (MAINTIMOLALY MANGASOAVINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nofidianao tokoa
Tamin-drà sarobidy
Ny fanahiko ‘zay taminao
Nefa izaho Tompo ô !
Dia tononkira.serasera.org tsy manan-tsafidy
Afa-tsy ny ho mpanomponao

Indro entiko anio
Eto ambonin’ny Ôtely
Ny fanahiko mba ho Anao (ry Tompo)
Inty foko ry Jesoa
Mba ekeo hanambara
Ny tantaran’ny fitiavanao

Hasambarana tokoa
No andraisan’ity fo
Izay maniry ny ho tiavinao
Diovy aho Tompo ô wspd !
Mba ho mendrika re
Fa manaiky hanaraka anao

Indro atolotro anio
Ity foko efa madio
Na dia efa tsy mendrika anao (ry faro Tompo)
Ny finoako ry Jesoa
No asahiako hanambara
Fa ianao nojqftz no fitiavana

Miaiky aho Tompo ô !
Be fitiavana Ianao
Tsy manavaka ny olona
Na mpanota aza aho
Dia nositraninao
Mba hanaraka izay sitrakao

Indro tazako izao
Ny fiainam-baovao
Hasambarana mandrakizay (ry Tompo)
Fa ny olon-drehetra
Hahatsapa tokoa
Ny tantaran’ny fitiavana

--------
Rohy:
Hevitra
iotimah ( 15/09/2026 15:13)
Fanoloran-tena ho an'ny Tompo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MAINTIMOLALY MANGASOAVINA
Vangy : 12
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : iotimah
Daty : 15/09/2026 15:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0501