Ny fiainako (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

https://tononkira.serasera.org/hira/ktlm-tsanta-fitoriana-ambohimena/ny-fiainako

Ny fiainako ry Tompo o ampelatananao
Tsy misy hatahorako satria aho efa Anao
Na mafy aza izay ataon'ireo fahavaloko
Tsy misy hampaninona ahy satria arovanao

Hianao anie ry Tompo no harambaton'ny fiainako
Ianao no ilay maharitra maTsiky dia ampyndrakizay e
Sasapoana anie ireo fahavalo izay tsy tia
Fa Ianao no manda mafy miaro ahy

Ireo fakampanahy mikendry hamotraka ahy
Mikasa mba hamery ny ho avin'ny fiainako
Kanefa Ianao ry Tompo o dia ampy hanohana ahy
Ka tsy voagejan'ny satana raha eo anilanao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Mpamaky : 195
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : daryprod
Tamin'ny : 11/06/2020 16:12:44
ID : 12826

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo