Jesosy fanorenana (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

https://tononkira.serasera.org/hira/ktlm-tsanta-fitoriana-ambohimena/jesosy-fanorenana

Tompo o tsaroako ireny hadisoako
F'izaho efa nanadino anao
Tompo o onena ny olomanantena
Anjara fitiavana avy any Aminao

REF:
Fantatro hatrizay, fantatro ilay
Jesosy fanorenana ny fiainako
Ankehitriny kosa tsy hindramiko fa ahy ny Tompo
Hanorentononkira.serasera.organa fiainambaovao

Tompo o tsy very fa miaina sy miteny
Ny hafatra efa napetrakao
Tompo o tsy maty fa velona ato anaty
Ireo teny soa navelanao ho ahy

Tompo o Ianao no toky vaovao
Ho andry sy aron'ny ampitso
Tompo o Ianao no Tompo tsy mandao
Ka homba hitahy izany lalanay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Mpamaky : 162
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : daryprod
Tamin'ny : 11/06/2020 16:12:12
ID : 12823

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo