Antso (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

Tsisy fiadanana sy fahasambarana
Ho an'ny ratsy fanahy amin'ny andrompiainany
Izay rehetra alehany na izay mba saininy
Feno haratsihana, tsisy fiadanam-po

(Duo)
Ry namako ô, ambarako anao ny antson'ny Tompo anio
F'Izy irery ihany no afaka hampiadana ny fonao
Dia ho lavitra tokoa ireo sorisorinao
Ho paradisa vaovao ny fiainanao

(Bass)
Raha mtononkira.serasera.orgbola mankasitraka ota foana ianao ety
Na mijoro fahavalon'ireo sakaiza tia
Tsy ho azonao ilay fahasambarana izay nomeny
Anio miantso anao Jeso

Tsisy fiadanana....

Indro ho avy ny andro hoy Jehovah Tompo
Izay hatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja
Ho lavinao ve ilay antson'i Jeso miangavy isan'andro
Tsy sitrany ny havery anao
Ka hitaraina hikikika hiatsoantso hoe : vonjeo

Hevitra mandeha

hery (11/06/2020 16:16:40)

Efa nampidirinao tamin'ny telo taona lasa mantsy ito

hery (11/06/2020 16:16:14)

Niova ve ity tononkira ity?

Tohiny Hametraka hevitra

Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Mpamaky : 382
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : daryprod
Tamin'ny : 11/06/2020 16:12:34
ID : 12821

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo