HO TRANON'OMBY VE (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nomena anao ny Mesia
Hamonjy anao ho tia anao
Lapan'ny Rainy niaviany tarÿ
Nafoiny noho ianao

Refrain:
Moa ve mba nosaininao tao am-po
Ny nitiavany anao
Ho tranon'omby sy fahitra ve
No mendrika ny Tomponao

Jesoa fitiavana tonga ho anao
Hitondra anao ao tranon-dray
Ny fanjakany an -danitra arÿ
Tiany ho fonenanao

Ref:
Moa ve mba nosaininao tao am-po.....

Tsy ho voavidin'ny aiko tokoa
Zay nentinao hitiavana ahy
Fanetre-tena tsy takatro koa
No namonjenao ahy

Tsy ho tranon'omby na fahitra anie
Jesoa no hiandrasako Anao
Ny fo fanahy ny ao anatiko ao
No hiandry ny fiavinao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Vangy : 270
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mialimalalanomenarazafindrazak
Daty : 02/12/2022 19:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728