HO TRANON'OMBY VE (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nomena anao ny MesiaHamonjy anao ho tia anao
Lapan'ny Rainy niaviany tarÿ
Nafoiny noho ianao
Refrain:
Moa ve mba nosaininao tao am-po
Ny nitiavany anao
Ho tranon'omby sy fahitra ve
No mendrika ny Tomponao
Jesoa fitiavana tonga ho anao
Hitondra anao ao tranon-dray
Ny fanjakany an -danitra arÿ
Tiany ho fonenanao
Ref:
Moa ve mba nosaininao tao am-po.....
Tsy ho voavidin'ny aiko tokoa
Zay nentinao hitiavana ahy
Fanetre-tena tsy takatro koa
No namonjenao ahy
Tsy ho tranon'omby na fahitra anie
Jesoa no hiandrasako Anao
Ny fo fanahy ny ao anatiko ao
No hiandry ny fiavinao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Ktlm Andrirahona Ambohibao AntampontanànaHits : 328
Likes : 0 Like
Created by : mialimalalanomenarazafindrazak
Date : 02/12/2022 19:11