FALY AVOKOA (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro fifaliana lehibe×2
Ho an'izao tontolo izao×2

Faly avokoa izao rehetra izao
Fa tonga soa Ianao
Ry Tompo sy mpanjakanay
Midira izao ato am-ponay
Ny tany aman-danitra
Finaritra mihira ho Anao
Ny tany aman-danitra midera Anao

Indro fifaliana lehibe×2
Ho an'izao tontolo izao×2

Mitondra izao rehetra izao
Ny fahasoavany
Sy ny fahamarinany
Miaiky izao tontolo izao
Mamirapiratra
Ny voninahiny
Tena mahagaga ny fitiavany

Indro fifaliana lehibe×2
Ho an'izao tontolo izao×2
--------
Lien: https://tononkira.serasera.org/hira/ktlm-andrirahona-ambohibao-antampontanna/faly-avokoa
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Visites : 93
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mialimalalanomenarazafindrazak
Date : 02/12/2022 19:21
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1103