FALY AVOKOA (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro fifaliana lehibe×2
Ho an'izao tontolo izao×2

Faly avokoa izao rehetra izao
Fa tonga soa Ianao
Ry Tompo sy mpanjakanay
Midira izao ato am-ponay
Ny tany aman-danitra
Finaritra mihira ho Anao
Ny tany aman-danitra midera Anao

Indro fifaliana lehibe×2
Ho an'izao tontolo izao×2

Mitondra izao rehetra izao
Ny fahasoavany
Sy ny fahamarinany
Miaiky izao tontolo izao
Mamirapiratra
Ny voninahiny
Tena mahagaga ny fitiavany

Indro fifaliana lehibe×2
Ho an'izao tontolo izao×2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Vangy : 252
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mialimalalanomenarazafindrazak
Daty : 02/12/2022 19:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1751