VONJEO (Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa ô ! indreto ny olonao
Miankohoka mangataka aminao
Mangataka ny famindram-ponao
Miaiky fa diso re ry Tompo malala ô

(Tano mafy ao)
Tano mafy mba tsy ho very intsony
Tano ho eo akaikinao
Tazomy ho eo anilanao
Fa mafy loatra ny fandriky ny fanahy ratsy
Vonjeo Jesoa, vonjeo ny tanoranao
Vonjeo Jesoa, vonjeo re fa mitalaho

‘Reo miady an-trano omeo ny fahendrena
‘Reo mifanaratsy, omeo ny fahalalanao
Fa mangeja loatra ny ady izay atrehinay
Mba raiso re, mba raiso ho anao izahay

A/C: R.J.E.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)
Vangy : 517
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Laurius
Daty : 05/09/2023 18:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756