RAISO JESOA (Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy maro ao an-tsaha mitaraina
Tsy mahita atoandro io na koa maraina
Fa maizina foana re ny an-tanàna
Satria tsy ao Jesoa fa ao i Satana

Raisonao Jesoa
Ho Mpanjakanao
Ho jiro ao an-tsaha sy ho filamatra
Fiadanana re no ho azonao
Raha manaiky ianao
Hiaina fiainam-baovao

Ho anao izay mbola misalasala
Mibebaha fa izao mbola tsy tara
F’efa ela no niandry anao ny Tompo
Manantona ianao ho isan’ny mpanompo

A/C: R.V.O.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)
Vangy : 244
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Laurius
Daty : 05/09/2023 18:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1059