NANDRESY (Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Naka nofo tamin'i Masina Maria
Zanak'Ilay nahary izao tontolo izao
Tonga ho famonjena antsika e
Ho fanavotana ahy sy ho anao

Izy ilay Mesia Mpanjakan'ny mpanjaka
Lehilahy mahery tompon'ny fahagagana
Nampianatra ary koa nitory
Ny Vaovao Mahafaly eran'ny vazan-tany

Novonoina anefa Izy
Nohon'ny fankahalana
Nohon'ny lainga, ny fitiavan-tena
Nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana
Maty i Jesoa ary nalevina

Nefa nandresy ny fahafatesana,
Nandresy e!
Nandresy ny fasana
Ka nitsangan-ko velona

Zovy moa tsy hanaraka ny Teniny
Moa ve ka tsy marina izay voalazany
Fa voasoratra ho Sorona ny Tenany
Hanavotana antsika zandriny

Zovy moa tsy hahala ny Anarany
Moa ve ka tsy marina izay voalazany
Zanak'Andriamanitra no anarany
Fianan'izao tontolo izao am-pelatanany

A/C: Doux-Ciel
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)
Vangy : 200
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Laurius
Daty : 05/09/2023 10:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2532