RAY ô! MAMELA NY HELOKO (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanolo-tena ho Anao aho indray andro izay e! ry Ray
Nananganako tànana ho mandrakizay e!
Aina no fetra ny antsika, dia nataoko hirahira
fa tsy misy asoloko Anao

Nefa nandavo isan'andro ireo fankapanahy tety
Izay misarika ahy hanalavitra Anao e!
Toa tsy tsaroako ilay dina fa voadona aho vao gina
very aho hay saraka Anao

Voafitaka aho Jesôsy ô! ka hiverina Aminao
Mifona e! fa resy mitalaho Aminao
Ataovy e! ilay vavaka hoe Ray ô!
mamelà ny helony fa tsy mba fantany izay ataony

Tena miaiky ireo heloka vita hatrizay aho ry Ray
Izay namily ny diako tsy ho any Aminao e!
K'izay voady efa vita dia nodiako tsy hita
nefa indrisy tomany lava izao

Akaikinao no tena mahatsara ahy izao
hiraketan'ny foko tsy hiala Aminao e!
Nefa raha miodina Ianao, ho aiza intsony moa aho
Mba iantrao re, hanonitra aho ry Ray

Manenina aho Jesôsy ô! sao misy azo atao
Tsy hamerina intsony aho, tena menatrana Anao
Matoky aho fa ampy ahy ilay ranao hanadio ahy,
havaoziko eto ilay dina ho mandrakizay

Voafitaka aho Jesôsy ô! ka hiverina Aminao
Mifona e! fa resy mitalaho Aminao
Ataovy e! ilay vavaka hoe Ray ô!
mamelà ny helony rehetra vitany!
Amen
--------
Rohy:
Hevitra
istraky ( 08/09/2020 18:23)
Amen
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Vangy : 1925
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : H.A.J.
Daty : 09/08/2020 12:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.194