O modia (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahoana ianao , ô ry zanako ô
No nandao ny fitiavako anao e !
Moa nisy va naha ory anao
Teto antranon-dRainao hatrizay
Zay rendrarendra filàna ety
No hanimbanao ny mandrakizay e !
Toa mahafinaritra be mpankafy
Naharoboka anao , lasa ianao
Moa fantatrao [Dadanao anie mbola tia anao] Dadanao tia anao
Nefa ianao [Mbola lasa nanaraka fakam-panahy] mampanahy mampanahy
Dada isan’andro mivavaka ho anao fa tsy foiko ianao
Ao ampoko ny hahasambatra anao
« Tena tiako ianao miverena oa »
Mba rahoviana no hody ianao hoy ity feo mitalaho
Ampy izay ireo ditra natao
Ô mba modia , mba modia zanako ô
Miandry anao ity Ray tia anao e !
Mierika foana toa ahita anao
Tsy hadinoko mandrakizay
Tsy mba miova ny fitiavako
Izaho anie rehefa tia tena tia e !
Aza ela loatra any ianao zanako ô !
Manantena aho fa hody ianao

Tsy resy ianao , ô modia ô modia
Raha toa ka hiverina an-tranon-dRay
Miandry anao ‘lay fiainam-baovao
Lay fianam-baovao zay nomanina ho anao e !
Tsy hanameloka anao sanatria ‘lay Rainao be fitia
Fa ho dioviko ianao ho fafako ‘reo ota natao ho sasako ianao
Tsy hotsarovako intsony ireo heloka vitanao
Lamba soa no asalotro anao
Tsy resy ianao...

Ô mba meteza ianao (Ô mba meteza)
Ô mba henoy izao ( hanoina izao antso izao)
Hoy ‘lay Rainao be fitia (Tianao)
Ô MODIA Ô mba modia

BARIVOLA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Vangy : 489
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ToovRabe
Daty : 07/02/2023 15:37
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.035