Adim-panahy (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

https://tononkira.serasera.org/hira/cff-chorale-foibe-fpvm-taninanandrano/adim-panahy

Mitambesatra ny adim-panahy
Valaketraka ny ondrinao,
Mitaraina sy mandadilady
Jesosy ô ho aiza intsony moa aho
Iza moa no hitarainako ety e!
Raha miodina Hianao very aho
Aizim-pito mandrakotra dia
Mba tsinjovy re ny zanakao (nahoana e)

Nahoana loatra e! Ry Raiko
'zao no hasalotrao ahy
Aza ela fa reraka ny aiko
Mba hatsory ilay Tànanao

Teny malefaka sy tambitamby
No nandrasan' izandry 'zay toa resy an'ady
Kanjo daroka mafy sy teny nandratra
No tambiny avy any ka nanTsiky dia ampydadilady
Tsy fantany mantsy fa misy any ho any
Mijery ity zandry izay feno toreo
Andrasako ihany, andrasako eto,
Andrasako foana, na mila ho leo

Soa fa mandalo ihany izany
Antenaiko fa ho avy Hianao
Hampitsiky ity zandry tomany
Hanasitran'ity ratra vao (nahoana e)

Nahoana loatra e! Ry Raiko
'zao no hasalotrao ahy
Aza ela fa reraka ny aiko
Mba hatsory ilay Tànanao

Na mafy aza ny ety e!
Mino aho f’Ianao momba ahy
Hampahery hitantana dia
Dia hisinda ny adim-panahy
Zay no vetson'ity zandrinao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Mpamaky : 1503
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mbahoirayihanyizyrehetra
Tamin'ny : 15/04/2016 14:19:08
ID : 8369

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo