HIANAO NO AZO HIANTSAPAZANA (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

https://tononkira.serasera.org/hira/cff-chorale-foibe-fpvm-taninanandrano/hianao-no-azo-hiantsapazana

Andriamanitra fitiavana
sy Tompon'ny fanekena
Ry Rain'ny fahasoavana
sy Tompon'ny fahendrena
Hianao ry Tompo manan-kery
Izay mambomba sy mijery
Henoy re ny olonao
miandrandranao sy mitalaho

Fantatrao ny halemena
mianjady amin'itony tena
Hiantrao re fa mahonena
Mahonena mahonena
Ny toeTsiky dia ampytranay feno fandavana
ho saina tsara no indro tazana
Ry Ray รด! Tompon'ny fitiavana
HIANAO NO AZO HIANTSAPAZANA

Rehefa mby eo Anatrehanao
izao fiainan-janakao izao
Hisokatr'eo Anoloanao
ny firaiketan'ny fiainana
Hisoritr'eo ireo fahotana
ny ratsy sy ny hadalana
Ho rotidrotika eo ny fo
ho mafy koa izay han-jo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Mpamaky : 76
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : H.A.J.
Tamin'ny : 09/08/2020 10:59:33
ID : 12982

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo