Ampy 'zay (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 -'Ty 'lay zanakao hiverina Aminao ry Ray
'Zay nanarapo tamin'izao tontolo izao
Eh! manenina aho noho ny ratsy izay natao
Menatra hifanatrika Aminao
Lamba rovitra no hany sisa ankoditro
Sady koa maloto maimbo lao mahavaky fo
Ny voankazo lo no hanim-py mba nohaniko
Hany heriko hitodi-doha
Moa ve ry Ray Hianao mbola handray ahy ?
Noho 'reo ditrako tsy miafin'Aminao zao
Na ratsy aza ka tsy sahaza mba raiso ry Ray
Hanompo Anao hanao ny sitrakao

2 - Hody aho ry Ray hibaboka eo antongotrao
F'efa meloka aho nihodina nandao Anao
Nefa niala maina fa vao maika be ny nanjo
Ampy 'zay 'reo ditra sitrapo
Ilay fonao antra tsy mba manameloka ahy
Fa nanafy akanjo peratra kapa vaovao
Teo vao tsapako fa Hianao Ray tsy mahafoy ahy
Niandry foana Hianao hatram'izay
Miondrika ny loha noho 'reo ratsy vitako
Menatra aho ry Ray tsy te hitraka ny loha
Efa narindra tsar'indrindra faly Hianao ry Ray
Fa 'lay maty efa velona indray
Fa 'lay very indro hitanao indray (farany)

BARIVOLA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Vangy : 399
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ToovRabe
Daty : 07/02/2023 14:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723