NOHEVERIKO 0179 (BOKIN-KIRA FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Noheveriko ho tsara ny safidy
Izay natao na nandramako nigoka ny Amin' izao fiainana izao
Ka tsy misy izay tsy vita
Rehefa mety ho sitrapo
Hay tsy nahafa-po
Sy tsy tanteraka avokoa
Tsy araka izay nantenaina hoe hitondra soa

2. Noheveriko fa rehefa miantso ny Anaranao
Na mameno dabilio
Ao am-piangonana ao
Dia ho tafiditra ny lanitra any Aminao Jesoa
Hay ka mila fibebahana famindram-po
Mila fanoloran-tena sy fahadiovam-po

3. Noheveriko ho ny harena sy fahaizana ihany
no tena lova tsara indrindra eto an-tany
Kanefa zava-poana sy tsy misy dikany izany
Raha tsy mikatsaka anao Jeso hatrany

4- Noheveriko fa ny fanaovana adidy sy asa soa
Dia ampy hahatongavako Aminao Jeso
Kinanjo zava-poana sy tsy misy dikany avokoa
raha tsy manaraka ny didin'ny Tsitoha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BOKIN-KIRA FIDERANA
Vangy : 395
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 05/11/2020 14:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0786