You are here: home > Tononkira > BOKIN-KIRA FIDERANA

Jesoa no Mpanjaka (BOKIN-KIRA FIDERANA)

https://tononkira.serasera.org/hira/bokin-kira-fiderana/jesoa-no-mpanjaka

1.
Isika rehetra izao ndeha hihira hoe :
Jesoa no Mpanjaka
Ny fonao asandrato hidera tsy hiato fa
Jesoa no Mpanjaka
Satana efa resy ka dia ankalazao fa
Jesoa no Mpanjaka

Fiv.:
Ny voninahitra sy dera no asandratray
Heniky ny hasoavanao izao tontolo izao
Ny fitahiana sy ny fahasoavana ampy ho anay
Jesoa Mpanjaka, Izy no mpiahy
Afaka izahay ka midera Anao
Isika rehetra izaotononkira.serasera.org
ndeha hiaraka hihira hoe:
Jesoa no Mpanjaka
Ny fonao asandrato hidera tsy hiato fa: Jesoa no Mpanjaka


2.
Ny any an-danitra any miara-mankalaza
fa Jesoa no Mpanjaka
Ireo anjely maro mihira fiderana hoe :
Jesoa no Mpanjaka
Ny fonay koa anio miaraka manaiky fa
Jesoa no Mpanjaka

Fiv :
Isika rehetra izao ndeha hihira hoe:
Jesoa no Mpanjaka
Ny fonao asandrato hidera tsy hiato fa:
Jesoa no Mpanjaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : BOKIN-KIRA FIDERANA
Mpamaky : 519
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mbahoirayihanyizyrehetra
Tamin'ny : 10/04/2016 11:59:41
ID : 8252

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo