Andro Malaza (Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Andro malaza
tena maminay, zao andro izao
Zava-niseho tao Betlehema izay ani Jodia
Tsy nisy toerana re ny tranom-bahiny zareo
Ka tranonomby tsy dia manao ahoana izay no nandray ny Mesia

ref:(Teraka anio) Ny Mesia (ny Mesia)
Jesoa Kristy lay Mpanafaka
Teny mahafaly lazain'ny anjely (hoe)
Mpamonjy no teraka anio ho anareo

2. Ireo mpiandry ondry tao an-tsaha niambina
No nisehoan ny anjely tonga teo anilany
Ny voninahiny dia namirapiratra
Ka raiki-tahotra izy Ireo niandry izay vaovao hambarany

3. Ireo Magy telo avw any lavitra
Nanaraka ilay kintana avy a-tsinanana
Nitady ilay Mpanjaka Mpanjaka vao teraka
Nanatitra zava-manitra, volamena ary ny miora

Tonony Rivoniaina
Feony Rivoniaina
Krismasy 2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)
Vangy : 196
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fenodera-Philberto
Daty : 13/07/2023 10:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1554