You are here: home > Tononkira > Antsafi

Isaorana anie Jehovah (Antsafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/antsafi/isaorana-anie-jehovah

Isaorana anie ny soa nomeny
Fa isaorana anie Jehovah
Noho ny soa nomeny antsika
Tsy tapak’isan’andro, fa isan’andro
Fanomezantsoa taona na andro
Ny fanomezantsoa, ny taona sy ny volana
Dia samy voalahatra
Ny andro sy ny alina fitahiana
Tsiky dia ampy
Ny lohataona sy ririnina
Ary koa ny fararano
Sy ny fahavaratra dia feno fahasoavana
Finaritra miadana fa voky soa
Betsaka, tsy tambo tononina
K’asandrato re ny feo izao hiderana ny Tompo
Be indrafo, voninahitra ho Anao anie
Ry Tompo avo indrindra ô
Mpamonjy be fitia

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsafi
Mpamaky : 645
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zoandrianina
Tamin'ny : 02/09/2015 21:49:40
ID : 7707

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo