MANDEHANA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

https://tononkira.serasera.org/hira/antokom-pihira-feo-mamy-fjkm-ankadindramamy-fahazavana/mandehana-1

Aza avelanao hangina re ny feonao
Aza avelanao hotsahatra ny hobinao
Aza avelanao ho takona ilay fahazavana ao anatinao
Ilay fahazavana nomen'ny Tompo anao

Koa mandehana mitoria ny teny soa ianao
Mandehana manambara ny famonjena
Ho an'izao tontolo izao
Fa indro aho momba anao
Mandrakariva
Mandehana, mandehana itononkira.serasera.organao

Haizim-pito no mandrakotra anao izao
Adalana, fahotana, filibana no tazanao
Ny fanajana ny fanahy izay maha-olona ao anatinao
Dia tsy hisy intsony fa lasana
Lasana nandao

Koa mandehana mitoria ny teny soa ianao
Mandehana manambara ny famonjena
Ho an'izao tontolo izao
Fa indro aho momba anao
Mandrakariva
Mandehana, mandehana ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Mpamaky : 323
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zeea
Tamin'ny : 13/08/2018 05:42:49
ID : 10869

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo