ATOLORY (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

Atolory ny Tompo ny fiaiananao
Fa izy vonona hiahy izany
Ny entana mavesatra eo aminao
Ambarao Azy fa hovahany

Tsy misy ny tomany eo Aminy
Fa hafaliana hatrany no omeny
Na ory sy mijaly aza ety
Jesoa irery ihany no haTsiky dia ampynala izany

Tsy misy zavatra tsy hoe fanao
Raha ny Tompo no eo aminao
Ny fiadanana atolony anao
Mivavaha hatrany fa izy hamany

Tsy misy ny tomany eo Aminy
Fa hafaliana hatrany no omeny
Na ory sy mijaly aza ety
Jesoa irery ihany no hanala izany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Mpamaky : 298
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Zeea
Tamin'ny : 16/07/2018 08:48:34
ID : 10752

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo