AM-PELATANANAO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Rainay be fitia, misaotra Anao
Noho izay niaretanao, hamonjena anay
Izay miaraka Aminao, tsy manana ahiahy
Manjaka Ianao amin'ny fiainanay

Ry Rainay be fitia, misaotra Anao
Noho izay niaretanao, hamonjena anay
Izay miaraka Aminao, tsy manana ahiahy
Manjaka Ianao amin'ny fiainanay

Mino aho Jesoa malala, ny fitiavanao
Mino aho ts hisalasala, ny fanavotanao
Ny fiainako rehetra, ho Anao tsy misy fetra
Anilanao, Jesoa mandrakizay

Ny hoavinay ry Jesoa, am-pelatananao
Efa nahafoinao ny ainao, hamonjena anay
Izay miaraka Aminao, ho mpandresy tahaka Anao
Handova ny fiadananao

Ny hoavinay ry Jesoa, am-pelatananao
Efa nahafoinao ny ainao, hamonjena anay
Izay miaraka Aminao, ho mpandresy tahaka Anao
Handova ny fiadananao

Mino aho Jesoa malala, ny fitiavanao
Mino aho ts hisalasala, ny fanavotanao
Ny fiainako rehetra, ho Anao tsy misy fetra
Anilanao, Jesoa mandrakizay

Jean Fils RAKOTOMALALA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 1377
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zeea
Daty : 30/07/2018 07:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779