Asandratray (Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A))

https://tononkira.serasera.org/hira/antoko-mpihiranny-andonny-lanitra-antohomadinika-a.m.a.l.a/asandratray

Asandratray ny feonay ry Ray
Miangavy ny famindram-ponao
Sy mitalaho famonjena
Mba hanarahanay ny dianao

Tsy ampy anay ny herinay anie
Raha tsy ampian’ny fanahinao
Ny fiainanay an-tany ety
Atopatopan’onja marobe
tononkira.serasera.orgMahatoky anefa izahay
Fa miahy anay hatrany Ianao
Ambaram-pihavin’ilay hazavana
Izay nambaran’i Jesoa zanakao

Marobe ireo olona mitsipaka ny didinao
Tariho ireo mba hahatsapa sy handala
Ny fahamarinanao

AMALA
A\C : Léon Randrianarivelo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)
Mpamaky : 147
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Nampionona
Tamin'ny : 24/06/2020 15:15:06
ID : 12856

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo