Ho Anao Mandrakizay (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy takatray ny fitiavana nasehonao
Natolotrao ny rehetra izay avy aminao
Ho solom-pamonjena anay izay nania
Handovanay ny mandrakizay doria

Nohomboina Ianao ka nampijaliana
Noesoina lanao ka nampahoriana
Ontsa izany fo mijery sy an-dranomaso
Koa atolotro ny foko ka tsy hisy andraso

Mafy anie ry Tompo niaretanao izany e
Eso, latsa, vono, 'zany fahorian'ny tany e

Dera laza atolotray ho Anao
Dera laza Anao mandrakizay
Dera laza atolotray ho Anao
Dera laza Anao mandrakizay

Ry Tomponay ry zanaky ny Ray
Fitiavan-dehibe nitiavanao anay
Atolotray fo sy saina fanahy
Koa mba raiso re ho Anao mandrakizay

RFJ - Avril 2025
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira MORIA
Hits : 332
Likes : 0 Like
Created by : tokyrajoelison
Date : 12/04/2025 17:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2148