Tompo ô, ny faniriako (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

1-Anilanao eh, ry Tompo malala.
No mamiko indrindra sy tena tiako.
Ka n'inon-kidona izaho tsy hiala.
Fa hanaraka anao, izay no faniriako.

Ref:
Hidera sy hanome,voninahitra ho anao.
Ry Tompo sy mpanjaka, Rain'izao tontolo izao.

2-Ianao izay Tompon'nTsiky dia ampyy hery rehetra.
Ny faniriako izao, sy ny fikasako.
Dia ny hanompo Anao, ka aina no fetra.
Izany re ry Tompo no ventson'ny foko.

3-Ireo andro rehetra izay nomenao ahy.
Atokako ho Anao, Anao manontolo.
Fa raha eo Aminao tsy misy mampanahy.
Fa toy ny ondry tsara, tsara kolokolo.

Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Mpamaky : 112
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ruthkwl
Tamin'ny : 03/06/2021 20:03:35
ID : 13497

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo