Tompo ô, ny faniriako (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Anilanao eh, ry Tompo malala.No mamiko indrindra sy tena tiako.
Ka n'inon-kidona izaho tsy hiala.
Fa hanaraka anao, izay no faniriako.
Ref:
Hidera sy hanome,voninahitra ho anao.
Ry Tompo sy mpanjaka, Rain'izao tontolo izao.
2-Ianao izay Tompon'ny hery rehetra.
Ny faniriako izao, sy ny fikasako.
Dia ny hanompo Anao, ka aina no fetra.
Izany re ry Tompo no ventson'ny foko.
3-Ireo andro rehetra izay nomenao ahy.
Atokako ho Anao, Anao manontolo.
Fa raha eo Aminao tsy misy mampanahy.
Fa toy ny ondry tsara, tsara kolokolo.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy FivavahanaVisites : 1043
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ruthkwl
Date : 03/06/2021 22:03